Boky voalohan'ny Mpanjaka 7:9
Ary nomba anao tamin’ izay nalehanao rehetra Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran’ izay lehibe ambonin’ ny tany ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 7
Cross References
Joshua 6:27Ary Jehovah nomba an’ i Josoa, ka niely tamin’ ny tany rehetra ny lazany.
1 Samuel 18:14Ary Davida dia hita fa hendry tamin’ izay rehetra nataony, ary Jehovah nomba azy.
1 Samuel 31:6Ka dia niara-maty androtrizay ihany Saoly sy ny zanany telo lahy sy ny mpitondra ny fiadiany ary ny olony rehetra.
2 Samuel 8:6Ary nametrahan’ i Davida miaramila tany Syria momba an’ i Damaskosy; dia tonga mpanompon’ i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany.
2 Samuel 22:1Ary Davida nanao izao fihirana izao ho an’ i Jehovah tamin’ ny andro namonjen’ i Jehovah azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ ny tànan’ i Saoly,
2 Samuel 22:34Ary manao ny tongony ho tahaka ny an’ ny dieravavy Izy; Mampitoetra ahy eo amin’ ny fitoerako avo Izy.