Boky voalohan'ny Mpanjaka 8:6
Ary nametrahan’ i Davida miaramila tany Syria momba an’ i Damaskosy; dia tonga mpanompon’ i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 8
Cross References
1 Samuel 13:3Ary Jonatana namely ny miaramilan’ ny Filistina, izay tany Geba, ary ren’ ny Filistina izany. Ary Saoly nampitsoka anjomara teny amin’ ny tany rehetra ka nanao hoe Aoka handre ny Hebreo.
1 Samuel 14:6Ary hoy Jonatana tamin’ ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin’ ny miaramilan’ ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an’ i Jehovah tsy hamonjy, na amin’ ny maro, na amin’ ny vitsy.
2 Samuel 3:18koa tanteraho izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an’ i Davida hoe: Amin’ ny tànan’ i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin’ ny tanan’ ny Filistina sy amin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra.
2 Samuel 7:9Ary nomba anao tamin’ izay nalehanao rehetra Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran’ izay lehibe ambonin’ ny tany ianao.
2 Samuel 8:14Ary nametrahany miaramila tany Edoma; eny, nametrahany miaramila avokoa Edoma rehetra, ary ny mponina rehetra tany Edoma dia tonga mpanompon’ i Davida. Ary Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany.
2 Samuel 23:14Ary Davida dia tao amin’ ny batery fiarovana tamin’ izay, ary ny miaramilan’ ny Filistina kosa dia tao Betlehema.