Boky voalohan'ny Mpanjaka 9:1
Ary hoy Davida: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan’ i Saoly mba hasiako soa noho ny amin’ i Jonatana?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 9
Cross References
1 Samuel 18:1Ary rehefa nitsahatra niteny tamin’ i Saoly izy, dia raiki-pitia tamin’ i Davida ny fanahin’ i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy.
1 Samuel 20:15Ary tsy hesorinao amin’ ny taranako koa ny famindram-ponao mandrakizay, eny, na dia avy aza izay handringanan’ i Jehovah ny fahavalon’ i Davida rehetra tsy ho etỳ ambonin’ ny tany.
1 Samuel 23:16Ary Jonatana, zanak’ i Saoly, niainga, dia nankany amin’ i Davida tany an’ ala ka nampahery ny tànany tamin’ Andriamanitra.
2 Samuel 21:7Fa ny mpanjaka niaro an’ i Mefiboseta, zanak’ i Jonatana, zanak’ i Saoly, noho ny fianianana tamin’ i Jehovah nataon’ i Davida sy Jonatana, zanak’ i Saoly.
Proverbs 27:10Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, Ary aza mankany amin’ ny tranon’ ny rahalahinao amin’ ny andro fahorianao; Fa tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra.
Matthew 25:40Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.