Boky voalohan'ny Mpanjaka 9:13
Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin’ ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 9
Cross References
2 Samuel 4:4Ary Jonatana, zanak’ i Saoly, nanan-janakalahy malemy tongotra. Dimy taona izy, fony tonga avy tany Jezirela ny filazana ny amin’ i Saoly sy Jonatana; ary nentin’ ny mpitaiza azy nandositra izy; ary raha nentiny nandositra tamin’ ny fahatairana izy, dia nianjera ka tonga malemy tongotra, Mefiboseta no anarany.
2 Samuel 9:7Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin’ i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an’ i Saoly rainao, ary ianao hihinana eo amin’ ny latabatro mandrakariva.
2 Samuel 19:27Fa hoy izy: Ry mpanjaka tompoko, nofitahin’ ny mpanompoko aho: Hanisy lasely ny boriky aho hitaingenako ka hankany amin’ ny mpanjaka; fa malemy tongotra ny mpanomponao.