Boky voalohan'ny Mpanjaka 9:6
Ary nony tonga teo amin’ i Davida Mefiboseta, zanak’ i Jonatana, zanak’ i Saoly, dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy Davida: Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Ary Davida mpanjaka naniraka haka azy tao an-tranon’ i Makira, zanak’ i Amiela, tao Lodebara.
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 9
Cross References
Genesis 18:2dia nanopy ny masony izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran’ ny lainy ka nihazakazaka hitsena azy, dia niankohoka tamin’ ny tany
1 Samuel 20:41Ary nony lasa ilay zazalahy, dia nitsangana avy any atsimo Davida, ka niankohoka tamin’ ny tany izy sady niondrika in-telo, ary nifanoroka izy roa lahy, ka samy nitomany; nefa ny an’ i Davida dia mafy loatra.
2 Samuel 1:7Dia niherika izy ka nahita ahy; ary niantso ahy izy, ka hoy izaho: Inty aho.
2 Samuel 19:24Ary dia hoy ny mpanjaka tamin’ i simey: Tsy ho faty ianao. Ary ny mpanjaka dia nianiana taminy.
2 Samuel 21:7Fa ny mpanjaka niaro an’ i Mefiboseta, zanak’ i Jonatana, zanak’ i Saoly, noho ny fianianana tamin’ i Jehovah nataon’ i Davida sy Jonatana, zanak’ i Saoly.
1 Chronicles 9:40Ary ny zanakalahin’ i Jonatana dia Meribala, ary Meribala niteraka an’ i Mika.