Epistily faharoa ho an'i Timoty 1:5
fa nisy nahatsiarovako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao anatin’ i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao anatinao koa izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4ary maniry hahita anao aho (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho feno fifaliana aho;
Read all of Epistily faharoa ho an'i Timoty 1
Cross References
Psalms 17:1Fivavak’ i Davida. Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin’ ny fivavako avy amin’ ny molotra tsy misy fitaka.
Psalms 22:10Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin’ ny reniko;
Psalms 77:6Nihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela.
Psalms 86:16Todiho aho ka amindrao fo; Omeo ny herinao ny mpanomponao, Ary vonjeo ny zanaky ny ankizivavinao.
Jeremiah 3:10Fa na dia izany rehetra izany aza dia tsy nety niverina tamiko tamin’ ny fony rehetra Joda mpivadika rahavaviny, fa tamin’ ny fihatsaram-belatsihy ihany, hoy Jehovah.
Acts 16:1Dia tonga tany Derbe sy Lystra koa izy; ary, indro, nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timoty ― zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa jentilisa rainy ―