Epistily faharoa ho an'i Timoty 1:9
Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ ny fiantsoana masìna, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin’ i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'i Timoty 1
Cross References
Isaiah 14:26Izany no fikasana ny amin’ ny tany rehetra, ary izany no tanana ahinjitra amin’ ny firenena rehetra.
Matthew 11:25Tamin’ izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin’ ny zaza madinika.
John 6:37Izay rehetra omen’ ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.
John 17:9Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an’ izao tontolo izao Aho, fa ho an’ izay nomenao Ahy, satria Anao izy.
Acts 2:47nidera an’ Andriamanitra sady nahita fitia tamin’ ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin’ ny Tompo isan’ andro ho isan’ ireo.
Romans 3:20satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ ny ota.