Epistily faharoa ho an'i Timoty 2:19
Kanefa ny fanorenana mafy nataon’ Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: “Ny Tompo mahalala ny azy”, ary koa: “Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ ny Tompo hiala amin’ ny ratsy.”
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'i Timoty 2
Cross References
Numbers 16:5ka niteny tamin’ i Kora sy ny namany rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon’ i Jehovah izay Azy sy izay masìna ka hampanakekeny Azy; dia izay fidiny no hampanakekeny Azy.
Psalms 1:6Fa fantatr’ i Jehovah ny lalan’ ny marina, fa ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin’ ny fahaverezana.
Psalms 37:18Fantatr’ i Jehovah ny andron’ ny mahitsy; Ary ny lovany ho mandrakizay.
Psalms 97:10Hianareo izay tia an’ i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin’ ny olony masìna Izy Ary mamonjy azy amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy.
Psalms 125:1Fihirana fiakarana. Izay matoky an’ i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika, fa mitoetra mandrakizay.
Proverbs 10:25Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay.