Epistily faharoa ho an'i Timoty 2:24
Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the servant of the Lord must not strive; but be gentle unto all men, apt to teach, patient,
In Context
23Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany.
Read all of Epistily faharoa ho an'i Timoty 2
Cross References
Joshua 1:1Ary rehefa maty Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa, zanak’ i Nona, mpanompon’ i Mosesy:
Isaiah 40:11Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
Matthew 12:19Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana;
Acts 7:26Ary nony ampitson’ iny dia niseho tamin’ ireo izay niady Mosesy ary nanao izay hampihavana azy ka nanao hoe: Raondriana, mirahalahy ianareo, koa nahoana ianareo no miady?
Acts 23:9Ary nisy antsoantso maharenina teo, ary ny mpanora-dalàna sasany, izay isan’ ny antoko atao hoe Fariseo, nitsangana dia niady hevitra ka nanao hoe: Tsy hitanay izay helok’ io lehilahy io; fa sao fanahy na anjely no niteny taminy.
2 Corinthians 10:4(fa tsy avy amin’ ny nofo ny fiadian’ ny tafikay, fa mahery amin’ Andriamanitra handrava fiarovana mafy);