Epistily faharoa ho an'i Timoty 2:3
Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran’ i Kristy Jesosy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Thou therefore endure hardness, as a good soldier of Jesus Christ.
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'i Timoty 2
Cross References
Judges 3:2mba ho fantatry ny taranaky ny Zanak’ Isiraely izany amin’ ny hampianarany azy hiady, indrindra fa izay tsy mbola nahalala izany akory teo aloha;
1 Corinthians 13:7mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
2 Corinthians 10:3Fa na dia velona amin’ ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo
1 Timothy 1:18Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo,
2 Timothy 2:10Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin’ ny olom-boafidy, mba hahazoan’ ireny koa famonjena, dia izay ao amin’ i Kristy Jesosy, mbamin’ ny voninahitra mandrakizay.
2 Timothy 4:5Fa ianao kosa mahonona tena amin’ ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.