Epistily faharoa ho an'i Timoty 2:5
Ary raha misy manezaka amin’ ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And if a man also strive for masteries, yet is he not crowned, except he strive lawfully.
In Context
6Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.
Read all of Epistily faharoa ho an'i Timoty 2
Cross References
Luke 13:24Miseseha hiditra amin’ ny varavarana etỳ ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.
Philippians 1:15Fialonana sy fifandirana aza no itorian’ ny sasany an’ i Kristy, ary fifaliana kosa ny an’ ny sasany;
2 Timothy 4:7Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho;
Hebrews 2:9Fa Ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan’ Andriamanitra.
James 1:12Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain’ ny Tompo homena izay tia Azy.
Revelation 2:10Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana.