Epistily faharoa ho an'i Timoty 3:1
Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
This know also, that in the last days perilous times shall come.
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'i Timoty 3
Cross References
Isaiah 2:2Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.
Jeremiah 49:39Nefa any am-parany dia mbola hampodiko avy amin’ ny fahababoany ihany Elama, hoy Jehovah.
Daniel 7:8Nodinihiko ny tandroka, ka, indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary novohana teo anoloan’ io ny tandroka telo tamin’ ireo taloha; ary, indro, nanana maso toy ny mason’ olona sy vava miteny zavatra mihoa-pampana izy.
Daniel 8:8Ary dia nihahery indrindra ilay osilahy; nefa nony nahery izy, dia tapaka ilay tandrony lehibe; ary nisy efatra lehibe nipoitra nisolo iny nifanandrify tamin’ ny rivotra efatry ny lanitra.
Daniel 11:36Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin’ ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin’ Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy hatao.
Daniel 12:11Ary hatramin’ ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan’ andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo.