Epistily faharoa ho an'i Timoty 3:6
Fa isan’ ireny izay misokosoko miditra any an-tranon’ ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy adaladala, vesaran’ ny fahotana, entin’ ny filàna maro,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.
Read all of Epistily faharoa ho an'i Timoty 3
Cross References
Psalms 38:4Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako.
Matthew 11:28Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
Matthew 23:14(Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon’ ny mpitondratena, ary dia manao vavaka lavareny ho fiolahana ianareo; koa izany no hahazoanareo fahamelohana mafimafy kokoa.)
1 Corinthians 12:2Fantatrareo fa fony jentilisa ianareo, dia nentina tany amin’ ny sampy moana araka izay nitaomana anareo.
Titus 1:11tsy maintsy hotampenam-bava ireo ― izay mampivadika mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety, mba hahazoany harena maloto.
2 Peter 2:18Fa mandoka fatratra ny zava-poana ireo, ka ny filan’ ny nofo, dia ny fijejojejoana, no entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman’ ny velona eo amin’ ny fahadisoana intsony;