Epistily faharoa ho an'i Timoty 3:8
Ary tahaka ny nanoheran’ i Jana sy Jambra an’ i Mosesy no anoheran’ ireo koa ny fahamarinana, dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.
Read all of Epistily faharoa ho an'i Timoty 3
Cross References
Exodus 7:22Ary ny ombiasy teo Egypta, dia mba nanao toy izany koa tamin’ ny fankatovany; ka dia nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
Exodus 8:18Fa havahako amin’ izany andro izany ny tany Gosena, izay itoeran’ ny oloko, ka tsy mba hisy lalitra ao, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah afovoan’ ny tany.
Jeremiah 28:1Ary tamin’ izany taona izany ihany, dia tamin’ ny niandohan’ ny nanjakan’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahefatra, no nitenenan’ i Hanania, zanak’ i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao an-tranon’ i Jehovah, teo anatrehan’ ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe:
Acts 13:8Fa Elyma, mpanao ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana.
Romans 1:28Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an’ Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran’ Andriamanitra azy ho amin’ ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao,
2 Corinthians 11:13Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin’ i Kristy.