Epistily faharoa ho an'i Timoty 4:1
Eo anatrehan’ Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin’ ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'i Timoty 4
Cross References
Psalms 50:6Hasehon’ ny lanitra ny fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara. [Sela.]
Psalms 98:9Eo anatrehan’ i Jehovah, fa avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao rehetra izao amin’ ny fahamarinana Izy Ary ny firenena amin’ ny fahitsiana.
Matthew 25:31Ary raha tonga ny Zanak’ olona amin’ ny voninahiny, arahin’ ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny Izy;
Luke 19:15Ary nony tafaverina izy, rehefa nandray fahefana hanjaka, dia nasainy nantsoina hankeo aminy izany mpanompo nomeny ny vola izany mba hahitany izay azony tamin’ ny fandrantoana.
John 5:22Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka,
Acts 17:31satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana amin’ ny alalan’ ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty.