Epistily faharoa ho an'i Timoty 4:14
Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Alexander the coppersmith did me much evil: the Lord reward him according to his works:
In Context
15tandremonao ihany izy iny, fa nanohitra fatratra ny teninay.
Read all of Epistily faharoa ho an'i Timoty 4
Cross References
1 Samuel 24:12Ary koa, ry ikaky ô, jereo dia jereo ange ny sisin’ ny kapôtinao etỳ an-tanako; fa raha nanapaka ny sisin’ ny kapôtinao aho, fa tsy nahafaty anao, dia izahao ka fantaro fa tsy misy faharatsiana na fahadisoana amin’ ny tanako, ary tsy nanota taminao aho, nefa ianao kosa mihaza ny aiko mba hahafaty azy.
Psalms 28:4Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian’ ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan’ ny tànany, valio izy araka izay iendrehany.
Psalms 109:5Ny soa nataoko novaliany ratsy, Ary ny fitiavako novaliany fankahalana.
Jeremiah 15:15Hianao no mahalala, Jehovah ô; Tsarovy aho, ka vangio, ary valio izay manenjika ahy; Aza dia mandefitra aminy Hianao, fandrao ho afaka ny aiko; Aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no nitondrako latsa.
Lamentations 3:64Hovalianao araka ny asan’ ny tànany izy, Jehovah ô.
Romans 12:19Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah.