Epistily faharoa ho an'i Timoty 4:5
Fa ianao kosa mahonona tena amin’ ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4ary hampiala ny sofiny amin’ ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ ny anganongano.
6Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko.
Read all of Epistily faharoa ho an'i Timoty 4
Cross References
Isaiah 62:6Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin’ ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangìna ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an’ i Jehovah, aza mitsahatra;
Ezekiel 3:17Ry zanak’ olona, efa nataoko mpitily ho an’ ny taranak’ Isiraely ianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin’ ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy.
Ezekiel 33:7Koa ianao, ry zanak’ olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an’ ny taranak’ Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.
Mark 13:34Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara;
Luke 12:37Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy.
Acts 21:8Ary nony ampitso dia niala teo izahay ka tonga tany Kaisaria ary niditra tao an-tranon’ i Filipo evanjelista, izay anankiray tamin’ izy fito lahy, dia nitoetra tao aminy izahay.