Epistily fahatelo nosoratan'i Jaona 1:2
Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Izaho loholona mamangy an’ i Galo, ilay malala, izay tiako amin’ ny fahamarinana.
Read all of Epistily fahatelo nosoratan'i Jaona 1
Cross References
Philippians 2:4Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ ny namany koa.
Colossians 1:4rehefa renay ny finoanareo an’ i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masìna rehetra,
1 Thessalonians 2:13Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an’ Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin’ Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’ olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’ Andriamanitra, izay miasa anatinareo izay mino koa.
1 Thessalonians 3:6Fa raha vao tonga atỳ aminay ankehitriny Timoty avy tatỳ aminareo ka nilaza teny taminay ny amin’ ny finoanareo sy ny fitiavanareo ary ny fahatsiarovana anareo tsara anay mandrakariva, ka maniry hahita anay indrindra ianareo, tahaka anay aminareo koa,―
2 Thessalonians 2:13Fa izahay tsy maintsy misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan’ ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin’ ny voalohany hahazo famonjena amin’ ny fanamasinan’ ny Fanahy sy ny finoana ny marina,
James 5:12Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin’ ny lanitra, na amin’ ny tany, na amin’ izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho “Eny”, ary ny fandànareo ho “Tsia”, fandrao hiharan’ ny fitsarana ianareo.