Asan'ny Apostoly 1:14
Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin’ ny vehivavy sy Maria, renin’ i Jesosy, ary ny rahalahiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 1
Cross References
Matthew 12:46Ary raha mbola niteny tamin’ ny vahoaka Jesosy, indreo, ny reniny mbamin’ ny rahalahiny nijanona teo ala-trano nitady hiteny aminy.
Matthew 18:19Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ ny tany na amin’ inona na amin’ inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin’ ny Raiko Izay any an-danitra izany.
Matthew 27:55Ary nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra eny, izay nanaraka an’ i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy.
Mark 15:40Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny, ary isan’ ireny Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin’ i Jakoba kely sy Josesy,
Luke 8:2mbamin’ ny vehivavy sasany, izay nositraniny tamin’ ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia Maria atao hoe Magdalena, izay efa nivoahan’ ny demonia fito,
Luke 11:13Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masìna ho an’ izay mangataka aminy?