Asan'ny Apostoly 1:3
sady niseho koa tamin’ ny famantarana maro taorian’ ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 1
Cross References
Deuteronomy 9:18Ary niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na nisotro rano, noho ny fahotanareo rehetra, izay nataonareo tamin’ ny nanaovanareo izay ratsy eo imason’ i Jehovah, ka nampahatezeranareo Azy.
Daniel 2:44Ary amin’ ny andron’ ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’ olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.
Matthew 4:2Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana.
Matthew 28:9Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany.
Mark 16:10Ary Maria nandeha ka nilaza tamin’ ireo efa nomba an’ i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany.
Luke 24:1Fa nony maraina koa tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro, dia nankany amin’ ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny.