Asan'ny Apostoly 10:23
Ary Petera nampiantrano azy handry tao. Ary nony ampitso dia niainga Petera ka nandeha niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany avy tany Jopa niaraka taminy koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 10
Cross References
Genesis 24:31Ary hoy Labana: Miakara, ry ilay notahin’ i Jehovah; nahoana no mijanona eto ivelany ianao? fa izaho efa namboatra ny trano sy izay hitoeran’ ny rameva.
Ecclesiastes 9:10Izay rehetra azon’ ny tananao atao dia ataovy amin’ ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.
Acts 9:42Ary dia fantatra eran’ i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo.
Acts 10:33Koa niaraka tamin’ izay dia naniraka tany aminao aho; ary nanao soa ianao no avy. Koa ankehitriny izahay rehetra dia efa eto anatrehan’ Andriamanitra hihaino izay rehetra nandidian’ ny Tompo anao.
Acts 11:12Dia nasain’ ny Fanahy hiaraka tamin’ ireo aho ka tsy hizaha tavan’ olona na dia kely akory aza. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon-dralehilahy izahay.
Hebrews 13:2Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin’ izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.