Asan'ny Apostoly 10:24
Ary nony ampitso indray dia tonga tany Kaisaria izy. Ary Kornelio niandry azy sady efa nampiangona ny havany sy ny tena sakaizany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 10
Cross References
Isaiah 2:3Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah, Ho any an-tranon’ Andriamanitr’ i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin’ ny lalany, Ka handehanantsika amin’ ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan’ ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin’ i Jehovah.
Zechariah 3:10Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin’ ny voaloboka sy ho eo ambanin’ ny aviavy ianareo.
Matthew 9:9Ary nony niala teo Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy.
Luke 5:29Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an’ i Jesosy; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy.
John 1:41Izy no nahita an’ i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atso hoe, raha adika, ny Kristy).
Acts 8:40Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin’ ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.