Asan'ny Apostoly 10:36
Hianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin’ ny Zanak’ isiraely, mitory teny soa milaza fiadanana amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy (Izy no Tompon’ izao rehetra izao),
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
35fa amin’ ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
Read all of Asan'ny Apostoly 10
Cross References
Psalms 24:7Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ ny mpanjakan’ ny voninahitra.
Psalms 45:11Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao;
Psalms 72:7Ny marina hitrebona amin’ ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.
Psalms 110:1Salamo nataon’ i Davida. Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
Isaiah 9:6Ny handrosoan’ ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ ny rariny sy ny hitsiny hatramin’ izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hahatanteraka izany.
Isaiah 45:21Alaharo, ka asehoy mazava; Eny, aoka hiara-misaina izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no efa nilaza izany hatramin’ ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; Eny, tsy misy afa-tsy Izaho.