Asan'ny Apostoly 10:7
Ary rehefa lasa ny anjely izay niteny tamin’ i Kornelio, dia niantso roa lahy tamin’ ny mpanompony izy sy miaramila mpivavaka anankiray isan’ izay nanaraka azy isan’ andro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6mitoetra ao amin’ i Simona mpandon-koditra izy, eo amoron-dranomasina ny tranony.
8Ary rehefa nambarany taminy izany rehetra izany, dia naniraka azy hankany Jopa izy.
Read all of Asan'ny Apostoly 10
Cross References
Genesis 24:52Ary rehefa nandre ny tenin-dry zareo ilay mpanompon’ i Abrahama, dia niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ i Jehovah izy.
1 Samuel 14:6Ary hoy Jonatana tamin’ ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin’ ny miaramilan’ ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an’ i Jehovah tsy hamonjy, na amin’ ny maro, na amin’ ny vitsy.
Luke 3:14Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin’ olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin’ ny karamanareo.
1 Timothy 6:2Ary izay manana tompo mino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy, satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy, satria mino sy malala ilay mpandray ny soa atao. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro.