Asan'ny Apostoly 11:20
Ary ny sasany tamin’ ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin’ ny jentilisa koa ka nitory an’ i Jesosy Tompo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
21Ary ny tanan’ ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan’ izay nino sy niverina ho amin’ ny Tompo.
Read all of Asan'ny Apostoly 11
Cross References
Matthew 27:32Ary raha nandeha izy, dia nahita lehilahy Kyreniana anankiray, atao hoe Simona, ka izy notereny hitondra ny hazo fijalian’ i Jesosy.
Acts 2:10sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an’ i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta,
Acts 5:42Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’ i Jesosy ho Kristy isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly sy tao an-trano izy.
Acts 8:5Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an’ i Kristy tamin’ ny olona tao.
Acts 9:20Ary niaraka tamin’ izay dia nitory teo amin’ ny synagoga izy ka nilaza an’ i Jesosy fa Zanak’ Andriamanitra.
Acts 13:1Ary teo amin’ ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin’ i Heroda mpanapaka) ary Saoly.