Asan'ny Apostoly 11:22
Ary ren’ ny sofin’ ny fiangonana tany Jerosalema ny amin’ ireo, dia naniraka an’ i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
21Ary ny tanan’ ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan’ izay nino sy niverina ho amin’ ny Tompo.
Read all of Asan'ny Apostoly 11
Cross References
Acts 4:36Ary Josefa, izay nataon’ ny Apostoly hoe koa Barnabasy (izany hoe, raha adika, Zanaky ny fananarana), Levita, avy any Kyprosy no firazanany,
Acts 9:27Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin’ ny Apostoly, dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany nitory ny anaran’ i Jesosy tany Damaskosy.
Acts 13:1Ary teo amin’ ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin’ i Heroda mpanapaka) ary Saoly.
Acts 15:22Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona mbamin’ ny fiangonana rehetra ny hifidy olona amin’ ny namany mba hirahina hiaraka amin’ i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia Joda, izay atao hoe Barnabasy, sy Silasy, izay lehilahy samy tsara laza eo amin’ ny rahalahy;
1 Thessalonians 3:6Fa raha vao tonga atỳ aminay ankehitriny Timoty avy tatỳ aminareo ka nilaza teny taminay ny amin’ ny finoanareo sy ny fitiavanareo ary ny fahatsiarovana anareo tsara anay mandrakariva, ka maniry hahita anay indrindra ianareo, tahaka anay aminareo koa,―