Asan'ny Apostoly 11:28
Ary nitsangana ny anankiray tamin’ ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin’ ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran’ ny tany rehetra. Ary dia tonga izany tamin’ ny andron’ i Klaodio.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
27Ary tamin’ izany andro izany dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia.
Read all of Asan'ny Apostoly 11
Cross References
Genesis 41:38Dia hoy Farao tamin’ ny mpanompony: Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin’ Andriamanitra ao anatiny, va isika?
2 Kings 8:1Ary Elisa efa niteny tamin-dravehivavy, renin’ ilay zaza maty novelominy, ka nanao hoe: Miaingà, ka mandehana ianao sy ny ankohonanao, ary mivahinia any amin’ izay azonao hivahiniana; fa Jehovah efa niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka haharitra fito taona amin’ ny tany.
Luke 2:1Ary tamin’ izany andro izany dia nisy didy navoak’ i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran’ ny vahoaka rehetra amin’ ny fanjakany.
Acts 18:2Ary izy nahita Jiosy anankiray atao hoe Akoila, izay teraka tany Ponto, vao avy tany Italia, ary Prisila vadiny (fa Klaodio efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma), dia nankeo amin’ izy mivady Paoly.