Asan'ny Apostoly 12:17
Fa izy nanofa tanana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan’ ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin’ i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin’ ny fitoerana hafa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Fa Petera naharitra nandòndòna ihany, ary rehefa novohany, dia nahita azy ireo ka talanjona.
18Ary rehefa nazava ny andro, dia nifanaritaka be ihany ny miaramila ka nanao hoe: Nankaiza Petera?
Read all of Asan'ny Apostoly 12
Cross References
Psalms 66:16Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an’ Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an’ ny fanahiko.
Psalms 107:21Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!
Psalms 146:7Izay manome rariny ho an’ ny ampahoriana, Izay manome hanina ho an’ ny noana. Jehovah mamaha ny mpifatotra;
Luke 1:22Kanjo rehefa nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy; ary dia fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao amin’ ny tempoly izy; ary izy nanao baikon’ ny moana taminy, ary dia mbola moana ihany.
John 8:59Dia naka vato hitoraka Azy ny olona; fa Jesosy niery ka niala teo an-kianjan’ ny tempoly.
John 11:54Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin’ ny Jiosy intsony; fa niala teo Izy nankany amin’ ny tany akaikin’ ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efraima, ary nitoetra tany Izy mbamin’ ny mpianatra.