Asan'ny Apostoly 12:23
Ary niaraka tamin’ izay dia nisy anjelin’ ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’ Andriamanitra izy; ka dia nohanin’ ny kankana izy ka maty.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
22Ary ny vahoaka niantso hoe: Feon’ Andriamanitra izany, fa tsy an’ olona!
24Ary nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra.
Read all of Asan'ny Apostoly 12
Cross References
Exodus 9:17Mbola mirehareha amin’ ny oloko ihany va ianao ka tsy handefa azy?
Exodus 12:12Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin’ izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin’ ny tany Egypta hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah.
Exodus 12:29Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny lahimatoan’ i Farao izay nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianany ka hatramin’ ny lahimatoan’ ny babo izay tao amin’ ny trano-maizina, mbamin’ izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
2 Samuel 24:16Ary naninjitra ny tànany tany Jerosalema Ilay Anjely handringana ny any; fa Jehovah nanenina ny amin’ ny loza ka nanao tamin’ ilay Anjely Izay nandringana ny olona hoe: Aoka izay, atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah dia teo amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
1 Chronicles 21:14Dia nasian’ i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana fito alina izy.
2 Chronicles 32:21Ary Jehovah naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin’ ny mpanjakan’ i Asyria, ka dia lasa nody amin-kenatra Sankeriba. Ary nony niditra tao an-tranon’ ny andriamaniny izy, dia namono azy tao tamin’ ny sabatra ny zanany naterany.