Asan'ny Apostoly 12:6
Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan’ ny miaramila roa lahy Petera tamin’ iny alina iny, sady voafatotra tamin’ ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina niambina ny tranomaizina teo am-baravarana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 12
Cross References
Genesis 22:14Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataon’ i Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no anaovana mandraka ankehitriny ny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan’ i Jehovah.
1 Samuel 23:26Ary Saoly nandeha tamin’ ny ilan’ ny tendrombohitra iray, fa Davida sy ny olony tamin’ ny ilany kosa; ary niezaka mafy handositra Davida noho ny tahony an’ i Saoly; fa Saoly sy ny olony saiky nahodidina an’ i Davida sy ny olony hisambotra azy.
Psalms 4:8Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin’ ny taona nahabetsahan’ ny variny sy ny ranom-boalobony.
Jeremiah 40:4Ary, indro, ankehitriny vahako izao ny gadra amin’ ny tananao. Koa raha sitraky ny fonao kosa ny hiaraka amiko hankany Babylona, dia andeha, fa hotandremako tsara ianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no andehano.
Acts 5:23Ny tranomaizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay.
Acts 28:20Ary izany zavatra izany no nampanalako anareo, hahitako anareo sy hiresahako aminareo; fa noho ny fanantenan’ ny Isiraely no ifatorako amin’ ity gadra ity.