Asan'ny Apostoly 13:27
Fa izay monina any Jerosalema sy ny loholony, satria tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon’ ny mpaminany izay vakina isan-tSabata, dia nahatanteraka izany tamin’ ny nanamelohany Azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 13
Cross References
Genesis 50:20Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin’ izao anio izao, hamelona olona betsaka.
Matthew 26:54Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masìna, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?
Luke 24:20dia ny amin’ ny nanoloran’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin’ ny hazo fijaliana.
Luke 24:44Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ ny lalàn’ i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo.
John 15:21Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala Izay naniraka Ahy izy.
John 19:28Ary rehefa afaka izany, dia fantatr’ i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra tamin’ izay, mba hahatanteraka ny Soratra Masìna, dia hoy Izy: Mangetaheta Aho.