Asan'ny Apostoly 13:36
Fa Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry ka nangonina ho any amin’ ny razany izy ary tratry ny lò;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
35Fa hoy Izy ao amin’ ny Salamo hafa koa: Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao.
37fa Izay natsangan’ Andriamanitra no tsy mba tratry ny lò.
Read all of Asan'ny Apostoly 13
Cross References
2 Samuel 7:12Ary rehefa tapitra ny andronao, ka hodi-mandry any amin’ ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany;
1 Chronicles 11:2Hatry ny fahiny ihany koa, fony Saoly mbola nanjaka aza, dia ianao ihany no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary hoy Jehovah Andriamanitrao taminao; Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
1 Chronicles 15:12ka nanao taminy hoe: Hianareo lohan’ ny fianakavian’ ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampakaranareo ny fiaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho ao amin’ ilay namboariko ho azy.
1 Chronicles 17:11Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin’ ny razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray mandimby anao, izay isan’ ny terakao; ary hampitoeriko ny fanjakany;
1 Chronicles 22:1Dia hoy Davida: Eto no ho tranon’ i Jehovah Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra dorana ho an’ ny Isiraely.
2 Chronicles 12:16Ary Rehoboama lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’ i Davida izy; ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.