Asan'ny Apostoly 14:17
Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ ny hanina sy ny fifaliana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Izay namela ny firenena rehetra handeha tamin’ ny lalana tiany haleha tamin’ ny andro lasa.
Read all of Asan'ny Apostoly 14
Cross References
Leviticus 26:4dia hanome anareo ranonorana amin’ ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha.
Deuteronomy 11:14dia halatsako eo amin’ ny taninareo ny ranonorana amin’ ny fotoany, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanao ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao;
1 Kings 18:1Ary nony afaka andro maro, dia tonga tamin’ i Elia ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny taona fahatelo nanao hoe: Mandehana hiseho amin’ i Ahaba, fa handatsaka ranonorana amin’ ny tany Aho.
Job 5:10Dia Izay mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin’ ny tany ary mampandeha rano eny amin’ ny saha,
Job 38:26Handatsaka ranonorana ambonin’ ny tany izay tsy itoeran’ olona, dia any amin’ ny efitra tsy misy mponina,
Psalms 36:5Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin’ ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory.