Asan'ny Apostoly 14:20
Fa nony nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy ka lasa niakatra tao an-tanàna. Ary nony ampitso dia niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 14
Cross References
Acts 11:26Ary rehefa nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin’ ny fiangonana hatramin’ ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran’ ny mpianatra hoe.
Acts 14:6ka fantany izany, dia nandositra nankany Lystra sy Derbe, tanàna any Lykaonia, mbamin’ ny tany manodidina, izy,
Acts 14:28Dia nitoetra elaela ihany tamin’ ny mpianatra izy.
Acts 16:40Dia niala tao an-tranomaizina izy ka niditra tao an-tranon’ i Lydia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa nandeha.
Acts 20:9Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin’ i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin’ ny tany avy eny amin’ ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty.
2 Corinthians 6:9tahaka ny tsy fantatra, nefa fantatra tsara ihany; tahaka ny efa ho faty, nefa, indro, velona ihany; tahaka ny faizana, nefa tsy atao maty;