Asan'ny Apostoly 14:22
nampahery ny fanahin’ ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ ny fahoriana be no idirantsika amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 14
Cross References
Isaiah 35:3Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.
Matthew 10:38Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.
Matthew 19:24Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran’ ny rameva amin’ ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Mark 10:24Ary ny mpianatra dia gaga tamin’ ny teniny. Fa Jesosy namaly indray ka nanao taminy hoe: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ ny matoky ny harena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
Luke 22:28Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ ny fakam-panahy nihatra tamiko;
John 3:5Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra izy.