Asan'ny Apostoly 15:11
Fa mino isika fa ny fahasoavan’ i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But we believe that through the grace of the Lord Jesus Christ we shall be saved, even as they.
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 15
Cross References
Romans 5:15Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan’ ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an’ ny maro, mainka ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ny fanomezana amin’ ny fahasoavan’ ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an’ ny maro kosa.
Romans 6:23Fa fahafatesana no tambin’ ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika.
2 Corinthians 8:9Fa fantatrareo ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony.
Galatians 1:6Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin’ izay efa niantso anareo tamin’ ny fahasoavan’ i Kristy ho amin’ ny filazantsara hafa,
Ephesians 1:6ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ ny Malala.
Titus 2:11Fa efa miseho ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra,