Asan'ny Apostoly 15:14
Simeona efa nanambara izay nitsinjovan’ Andriamanitra ny jentilisa tamin’ ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny anarany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Ary mifanaraka amin’ izany ny tenin’ ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe:
Read all of Asan'ny Apostoly 15
Cross References
Isaiah 55:11Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’ izay ampandehanako azy.
Luke 1:78Noho ny halehiben’ ny famindram-pon’ Andriamanitsika, izay hiposahan’ ny mazava avy any amin’ ny avo ho antsika.
Acts 15:7Ary rehefa nisy ady hevitra be ihany, dia nitsangana Petera ka nanao taminy hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa hatramin’ ny ela Andriamanitra dia efa nifidy teo aminareo fa amin’ ny vavako no handrenesan’ ny jentilisa ny tenin’ ny filazantsara ka hinoany.
Romans 11:36Fa Izy no nihavian’ izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.
2 Peter 1:1Simona Petera, mpanompo sy Apostolin’ i Jesosy Kristy, mamangy izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay amin’ ny fahamarinan’ i Jesosy Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy: