Asan'ny Apostoly 15:17
Mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa rehetra, Izay efa niantsoana ny anarako, hoy Jehovah,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Izay manao izany zavatra fantatra hatramin’ ny voalohany indrindra izany.
Read all of Asan'ny Apostoly 15
Cross References
Genesis 48:16ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin’ ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran’ i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin’ ny tany anie izy.
Numbers 6:27Dia hametraka ny anarako amin’ ny Zanak’ Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy.
Psalms 22:26Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin’ ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan’ izay matahotra an’ i Jehovah.
Psalms 72:17Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra.
Isaiah 11:10Ary amin’ izany andro izany ny solofon’ i Jese, Izay hitsangana ho fanevan’ ny firenena, dia Izy no hotadiavin’ ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra.
Isaiah 24:15Mankalazà an’ i Jehovah any amin’ ny tany atsinanana, dia ny anaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any amin’ ny amoron-dranomasina.