Asan'ny Apostoly 15:32
Ary satria mpaminany Joda sy Silasy, dia namporisika ny rahalahy tamin’ ny teny maro izy ka nampahery azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
31Ary nony efa namaky izany ny olona, dia nifaly noho ny anatra tsara.
Read all of Asan'ny Apostoly 15
Cross References
Isaiah 35:3Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.
Matthew 23:34Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin’ ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin’ ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra,―
Acts 2:17Ary amin’ ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin’ ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy;
Acts 11:23Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin’ ny Tompo amin’ ny fo minia fatratra.
Acts 13:1Ary teo amin’ ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin’ i Heroda mpanapaka) ary Saoly.
Acts 15:1Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon’ i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena.