Asan'ny Apostoly 15:9
fa tsy nataony misy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin’ ny finoana ny fony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And put no difference between us and them, purifying their hearts by faith.
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 15
Cross References
Acts 10:28Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin’ ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin’ ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin’ Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.
Acts 10:43Izy no ambaran’ ny mpaminany rehetra, fa amin’ ny anarany no hahazoan’ izay rehetra mino Azy famelan-keloka.
Acts 14:1Ary nony tany Ikonioma Paoly sy Barnabasy, dia niara-niditra tao amin’ ny synagogan’ ny Jiosy izy ka nitori-teny, ka dia olona betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa.
Romans 3:9Ahoana ary? Manan-kavaly va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa;
Romans 3:29Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an’ ny jentilisa koa? Eny, an’ ny jentilisa koa;
Romans 9:24dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin’ ny Jiosy ihany, fa ny avy amin’ ny jentilisa koa,