Asan'ny Apostoly 16:15
Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin’ ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin’ ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 16
Cross References
Genesis 19:3Ary rehefa noteren’ i Lota fatratra izy roa lahy, dia nivily tany aminy izy ka niditra tao an-tranony; dia nanaovany nahandro izy sy nanendasany mofo tsy misy masirasira, dia nihinana izy.
Judges 19:19kanefa misy mololo sy hanina ihany ho an’ ny borikinay, sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny ankizivavinao ary ho an’ ny zatovo manaraka ny mpanomponao: tsy misy zavatra ilainay intsony.
2 Kings 4:8Ary tamin’ ny indray andro Elisa dia nankany Sonema, ary nisy vehivavy mpanankarena teo izay nanery azy hihinan-kanina. Ary isaky ny mandalo izy, dia nivily nankao aminy hihinan-kanina.
Luke 9:4Ary izay trano hidiranareo, dia ao no itoero, ary avy ao indray no ialao.
Luke 14:23Ary hoy ny tompo tamin’ ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin’ ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko.
Acts 8:12Ary rehefa nino an’ i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny anaran’ i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.