Asan'ny Apostoly 16:17
Izy nanaraka an’ i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’ Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 16
Cross References
Psalms 57:2Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan’ ny fanahiko; eny, ao amin’ ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan’ ny loza.
Daniel 3:26Dia nanatona ny varavaran’ ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon’ Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia atỳ. Dia nivoaka avy teo anatin’ ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego.
Daniel 4:2Nanonofy zavatra nahatahotra aho ka nieritreritra teo am-pandriako, ary ny fahitan’ ny lohako dia naharaiki-tahotra ahy.
Daniel 5:21dia noroahina niala tamin’ ny zanak’ olombelona izy; ary ny fony natao tahaka ny an’ ny biby, ary ny fonenany tany amin’ ny boriki-dia, dia nampihinanina ahitra toy ny omby izy, ary kotsan’ ny andon’ ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny olona, ary izay tiany no tendreny ho mpanjakany.
Daniel 6:20Dia nifoha maraina koa ny mpanjaka ka nandeha faingana ho any amin’ ny lavaky ny liona.
Micah 6:6Inona no ho entiko manatona an’ i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan’ Andriamanitra Izay any amin’ ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho?