Asan'ny Apostoly 16:23
Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 16
Cross References
Joshua 4:17Dia nandidy ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Miakara hiala eo Jordana ianareo.
Matthew 26:48Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy.
Luke 21:12Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin’ ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako.
Acts 5:23Ny tranomaizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay.
Acts 9:2ka nangataka taratasy taminy ho any amin’ ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy.
Acts 12:18Ary rehefa nazava ny andro, dia nifanaritaka be ihany ny miaramila ka nanao hoe: Nankaiza Petera?