Asan'ny Apostoly 16:31
Dia hoy izy roa lahy: Minoa an’ i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And they said, Believe on the Lord Jesus Christ, and thou shalt be saved, and thy house.
In Context
32Ary izy roa lahy nitory ny tenin’ ny Tompo taminy sy tamin’ izay rehetra tao an-tranony.
Read all of Asan'ny Apostoly 16
Cross References
Genesis 18:19Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman’ ireo ny lalàn’ i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran’ i Jehovah amin’ i Abrahama izay efa nolazainy taminy.
Jeremiah 32:39Dia homeko fo iray sy lalana iray izy, mba hatahorany Ahy lalandava hahasoa azy sy ny zanany mandimby azy;
Mark 16:16Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina.
John 3:15mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
John 6:40Fa izao no sitrapon’ ny Raiko, dia ny hahazoan’ izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany.
John 7:37Ary tamin’ ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.