Asan'ny Apostoly 17:10
Ary Paoly sy Silasy dia nampandehanin’ ny rahalahy niaraka tamin’ izay nony alina hankany Beria; koa raha tonga tany izy, dia niditra tao amin’ ny synagogan’ ny Jiosy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary rehefa nasainy nametraka antoka Jasona sy ny sasany teo aminy, dia navelany handeha izy.
Read all of Asan'ny Apostoly 17
Cross References
Joshua 2:15Dia nampidina azy tamin’ ny mahazaka avy teo amin’ ny varavarankely izy; fa teo amin’ ny màndan’ ny tanàna ny tranony, ary teo amin’ ny manda no nitoerany.
1 Samuel 20:42Ary hoy Jonatana tamin’ i Davida: Mandehana soa aman-tsara; fa efa nianiana tamin’ ny anaran’ i Jehovah isika roa lahy hoe: Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao ary amin’ ny taranako sy ny taranakao mandrakizay.
Acts 14:6ka fantany izany, dia nandositra nankany Lystra sy Derbe, tanàna any Lykaonia, mbamin’ ny tany manodidina, izy,
Acts 17:13Fa raha ren’ ny Jiosy tany Tesalonika fa Paoly nitory ny tenin’ Andriamanitra tany Beria, dia nankany izy ka nampikotrana sy nampitabataba ny vahoaka.
Acts 23:23Ary niantso kapiteny roa lahy hankeo aminy izy ka nanao hoe: Manomàna miaramila roan-jato lahy sy an-tsoavaly fito-polo ary mpiloka lefona roan-jato hankany Kaisaria anio alina amin’ ny ora fahatelo;