The Bible Software
bible.software › Asan'ny Apostoly › Asan'ny Apostoly 17 › Asan'ny Apostoly 17:6

Asan'ny Apostoly 17:6

Ary raha tsy nahita azy roa lahy izy, dia nisarika an’ i Jasona sy ny rahalahy sasany ho ao amin’ ny lehiben’ ny tanàna ka niantso mafy hoe: Tongay koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo;

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And when they found them not, they drew Jason and certain brethren unto the rulers of the city, crying, These that have turned the world upside down are come hither also;

In Context

5Fa nialona ny Jiosy ka naka olona ratsy fanahy teny an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, dia nampitabataba ny tanàna ka namely ny tranon’ i Jasona ary nitady hamoaka azy roa lahy ho ao amin’ ny olona.

7ary efa nampandrosoin’ i Jasona izy, ka izy rehetra ireo manohitra ny tenin’ i Kaisara, satria izy milaza fa misy mpanjaka hafa, dia Jesosy.

Read all of Asan'ny Apostoly 17

Cross References

Exodus 3:8dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin’ ny tanan’ ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin’ izany tany izany ho any amin’ izay tany soa sy malalaka, dia any amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.

Jeremiah 38:2Izao no lazain’ i Jehovah: Izay mitoetra amin’ ity tanàna ity dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana kosa no ho velona; fa ny ainy no ho babony, ka ho velona izy.

Matthew 24:14Ary hotorina amin’ izao tontolo izao ity filazantsaran’ ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.

Acts 6:12Ary nampitaitra ny olona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna izy, dia nankeo amin’ i Stefana ka nisarika azy, dia nitondra azy ho eo amin’ ny Synedriona;

Acts 18:12Fa raha Galio no governora tany Akaia dia niray tetika hisambotra an’ i Paoly ny Jiosy, ary nitondra azy nankeo amin’ ny fitsarana,

Acts 22:22Ary ny olona nihaino azy hatramin’ izany teny izany, dia nanandratra ny feony ka nanao hoe: Esory amin’ ny tany ilehio, fa tsy tokony hovelomina izy!

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)聖書 (日本語)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBiblia TakatifuBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)

Study Asan'ny Apostoly 17:6

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeAlbert BarnesJohn WesleyJohn CalvinScofieldWilliam BurkittFamily Bible NotesJohn LightfootGeneva Bible Notes (1599)Robertson's Word Pictures
← Asan'ny Apostoly 17:5Asan'ny Apostoly 17Asan'ny Apostoly 17:7 →