Asan'ny Apostoly 18:22
Ary rehefa tafatody tany Kaisaria izy, dia niakatra ka niarahaba ny fiangonana vao nidina nankany Antiokia.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And when he had landed at Caesarea, and gone up, and saluted the church, he went down to Antioch.
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 18
Cross References
Acts 10:1Ary nisy lehilahy anankiray tany Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapiteny tamin’ ny antokon’ ny miaramila atao hoe Italiana;
Acts 11:11Ary tamin’ izay dia, Indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan’ ny trano nitoeranay, izay iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko.
Acts 13:1Ary teo amin’ ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin’ i Heroda mpanapaka) ary Saoly.
Acts 15:4Ary rehefa tonga tany Jerosalema izy, dia noraisin’ ny fiangonana sy ny Apostoly ary ny loholona, ka dia nilaza izay rehetra efa nataon’ Andriamanitra tamin’ ny nombany azy.
Acts 15:30Ary rehefa nalefany izy ireo, dia nidina nankany Antiokia; ary namory ny olona maro izy, dia natolony ilay epistily.
Acts 18:21fa nanao veloma azy ka nanao hoe: Mbola hiverina hankatỳ aminareo indray aho, raha sitrapon’ Andriamanitra. Dia niondrana an-tsambo niala tany Efesosy izy.