Asan'ny Apostoly 19:21
Ary rehefa vita izany zavatra izany, Paoly dia nikasa tao am-pony handeha hamaky an’ i Makedonia sy Akaia aloha vao hankany Jerosalema ka nanao hoe: Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy hahita an’ i Roma koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Fatratra toy izany no fandroson’ ny tenin’ Andriamanitra sy ny heriny.
Read all of Asan'ny Apostoly 19
Cross References
Acts 16:6Ary rehefa noraran’ ny Fanahy Masìna tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia
Acts 18:21fa nanao veloma azy ka nanao hoe: Mbola hiverina hankatỳ aminareo indray aho, raha sitrapon’ Andriamanitra. Dia niondrana an-tsambo niala tany Efesosy izy.
Acts 20:16Fa Paoly efa nikasa handeha an-tsambo handalo any Efesosy mba tsy hitoerany ela any Asia; fa maika izy, raha azony hatao, hamonjy ny andro Pentekosta any Jerosalema.
Acts 21:4Ary nony nitady ny mpianatra izahay ka nahita azy, dia nitoetra teo hafitoana; ary izy ireo dia voatsindrin’ ny Fanahy hilaza amin’ i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema.
Acts 21:17Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay tamin’ ny fifaliana ny rahalahy.
Acts 24:17Ary nony afaka taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an’ ny fireneko.