Asan'ny Apostoly 19:29
Ary nanerana ny tanàna ny tabataba; ary rehefa nisarika an’ i Gaio sy Aristarko, lehilahy Makedoniana niara-dia tamin’ i Paoly, izy, dia niray saina niriotra ho ao an-trano filalaovana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
28Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia tezitra loatra ka niantso hoe: Lehibe Dianan’ ny Efesiana!
30Ary raha te-hiditra ho any amin’ ny olona Paoly, dia tsy navelan’ ny mpianatra.
Read all of Asan'ny Apostoly 19
Cross References
Acts 16:9Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin’ i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay!
Acts 19:22Ary ny roa lahy tamin’ izay nanompo ary, dia Timoty sy Erasto, no nirahiny nankany Makedonia; fa izy mbola nitoetra tany Asia andro vitsivitsy kosa.
Acts 20:4Ary niaraka taminy hatrany Asia Sopatera, zanak’ i Pyro, avy any Beria, ary Aristarko sy Sekondo avy any Tesalonika, ary Gaio avy any Derbe, ary Timoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia.
Acts 21:30Dia nifanaritaka be ihany ny tao an-tanàna rehetra, ka nihazakazaka nivory ny olona; ary Paoly dia nosamboriny ka nosarihany hiala eo an-kianjan’ ny tempoly; ary niaraka tamin’ izay dia narindrina ny vavahady.
Acts 27:2Ary rehefa nirotsaka an-tsambo avy any Adramytena izay efa handeha hitety ny sisin-tanin’ i Asia izahay, dia lasa nandeha; ary niaraka taminay Aristarko Makedoniana avy any Tesalonika.
1 Corinthians 1:14Misaotra an’ Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo afa-tsy Krispo sy Gaio,