Asan'ny Apostoly 19:38
Koa raha manan-teny hifamaliana amin’ olona Demetrio sy ny mpanefy izay momba azy, aoka hifandahatra izy, fa misy ihany ny andro hitsarana, ary ao ihany koa ireo governora.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
37Fa nentinareo etỳ ireo lehilahy ireo, izay tsy nandroba tempoly, na niteny ratsy ny andriamanitsika.
39Fa raha mitady zavatra hafa kosa ianareo, dia hotsaraina amin’ izay fivoriana voatendrin’ ny lalàna.
Read all of Asan'ny Apostoly 19
Cross References
Deuteronomy 17:8Raha misy teny sarotra loatra amin’ ny fitsarana ka tsy efanao, na ny amin’ ny mahafaty aina, na ny ady na ny vonoana, izay iadiana ao an-tanànanao, dia miaingà ianao, ka miakara any amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao.
Acts 18:14Ary raha hiloa-bava Paoly, dia hoy Galio tamin’ ny Jiosy: Ry Jiosy, raha misy heloka, na zavatra ratsy natao, dia mety raha mandefitra aminareo aho;